<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Mihirà ry manampofonaina FF31</title>
<lyrics>[V1]
 Mihirà ry manampofonaina
 Mikaloa sy mitsikia
 Tapaka ny gadra nolonjena
 Afak'i Jesosy be fitia
 'Lay Edena nihidy tany aloha (nihidy aloha)
 Noho ny ota ratsin-drazantsika
 He midanadana sy mivoha
 Ka idiro itondray mozika

[V2]
 'Lay satana tena fahavalo
 Resy teo ka voakodia
 Koa herezo aza mimalo
 Tokinao anio Ilay Mesia
 Ry voahosotra hitondrana famonjena
 (Ry voahosotra famonjena)
 'Ndreto ento ho anao 'zahay
 Dia izahay izay miferin'aina
 Noho ny ota izay mpahazo anay

[V3]
 Afaka izahay ankehitriny
 Tonga ny Mpanavotra anay
 Ka ilay gehenanay fahiny
 Voasolo paradisa indray
 Koa isaoranay tokoa tokoa (Koa isaoranay tokoa)
 Ianao ry Rainay be fitia
 Dia Hianao Jehovah Ray tsitoha
 Nanome anay ilay Mesia</lyrics>
<hymn_number>31</hymn_number>
</song>